1 Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah , no hoderaiko.

2 Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga at? amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.

3 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.

4 Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka* iza ratsy aho,[Heb. hahalala]

5 Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;

6 Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.

7 Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga.

8 Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tannan'i Jehovah.
